TSY TAZANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TAZANA




Tamin'ny fahareseko
dia ianao tsy tazana
ka zavatra tsy ekeko
ny hitia no fafazana.



Tamin'ny fahakiviako
dia ianao tsy tazana
nitady izay faniriako
fa niseho ho mazana.



Tamin'ny fahavoazako
dia ianao tsy tazana
ka tsy mba sahazako
no hafatry ny razana.



Tamin'ny hamaizinako
dia ianao tsy tazana
mba azo nanankinako
ny mafy tena ngazana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
377 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018