TSY TEO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TEO




Tsy teo akory ianao
fony alahelo no nahazo
ka aoka aho handao
fa dia toa voan'ny tazo.



Tsy teo akory ianao
fony tebiteby no namely,
tsy hita fotsiny izao,
tsy nantenaina velively.



Tsy teo akory ianao
fony fitiavana no nirina
fa tany faly nilalao
ka tsy nahalala fijaliana.



Tsy teo akory ianao
fony haravoana no nisy,
ranomaso no injao
mirotsaka eto, indrisy !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
413 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 04/02/2025 07:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0132