You are here: home > Vetso

TSY TIAKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







TSY TIAKO





Tsy tiako ny tsy hahita
azy iny rehefa manina
fa tonga tsy mahavita
'reo asa izay sahanina.




Tsy tiako ny tsy hahazo
vaovao andrasan-dava
rehefa ory tsy mivazo
'ty fotoana tsy misava.




Tsy tiako ny tsy handre
ny momba azy rehetra
rehefa tsy afa-manome
fitoniana izay mitoetra.




Tsy tiako ny tsy hitady
'reo sarinay tsy foiko
rehefa inty mianjady
ny alahelo sy toloko.




Fredy JAOFERA