You are here: home > Vetso

TSY TONGA AMIN'IZAO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






TSY TONGA AMIN'IZAO





Tsy tonga amin'izao
ny fiainam-pirenena
raha nanaja fanekena
feno rindra ka zakao.




Tsy tonga amin'izao
ny fahantrana lalina
raha tazan-ko malina
amin'ny asa ka ialao.




Tsy tonga amin'izao
ny fijaliam-bahoaka
raha nahatafavoaka
ny hetaheta ka ovao.




Tsy tonga amin'izao
ny fihemorana tokoa
raha nikatsaka ny soa
'rony adidy ka zahao.




Fredy JAOFERA