TSY TONGA NY TORIMASO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TONGA NY TORIMASO





Tsy tonga ny torimaso
amin'ny alina mangina,
kotsakotsa ireto maso
fa tsy dia fanahy iniana.




Tsy tonga ny torimaso
ka mihira ny hirantsika,
ny vaovao re, andefaso
fa oriory tsy hay adika.




Tsy tonga ny torimaso
ka misy fahatsiarovana
mahabe ny ranomaso
fa very mahatorovana.




Tsy tonga ny torimaso
fa mba tantara tsy vita
nasesiky ireny an-kaso
ny nitranga na ny hita.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
33 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 04/10/2026 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0128