TSY TSARA TOERANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TSARA TOERANA




Tsy tsara toerana
ianao ankehitriny
fa manam-pitia
raha be fitserana
iny tantarako iny
ka soava dia !...



Tsy tsara toerana
tena azo itokiana
fa ilay antenaina
ka tsy nanaterana
ireo efa faniriana
novolavolaina.



Tsy tsara toerana
hitarika ahy ihany
rehefa ory moana
ka tsy nitaterana
sento sy tomany
vao irery foana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
178 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115