TSY VOASAKANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY VOASAKANA




Tsy voasakana ny foko
hanam-pitiavana
rehefa anio tsaroako
ka tsy nandavana.



Tsy voasakana ny foko
hanam-pitokiana,
na dia nisy ireo toloko
izay nitomaniana.



Tsy voasakana ny foko
hanam-piravoana,
indrindra rehefa inoako
fa lavi-pisentoana.



Tsy voasakana ny foko
hanam-pandresena
fa efa ela no tsy foiko
ianao rehefa jerena.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
369 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0207