You are here: home > Vetso

VAO MATY NY RAIKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




VAO MATY NY RAIKO





Vao maty ny raiko
dia niseho ny devoliny
ka olon-tsy ilaiko,
na be ny masomboliny.




Vao maty ny raiko
dia niseho ny vangany
raha toa tanisaiko,
na ireto maso rangany.




Vao maty ny raiko
dia niseho ny toetrany
ka tsy nantenaiko
fa tao ny hetraketrany.




Vao maty ny raiko
dia niseho ny hafaliany
raha indro zaraiko
'reo alahelo fa tsy tiany.




Fredy JAOFERA


Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 23/08/2021
Mpamangy : 96
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

FIALOFANA
NIZAKA
TONGA ALOHA
VERY ANDRO
IRAY ANDRO ANY
MANAN-KASINA NY MATY
TSY TIAKO
TRATRA AORIANA
NANDALO
NY MOZIKA