You are here: home > Vetso

VAO MISY MANONTANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







VAO MISY MANONTANY





Vao misy manontany
'rony momba antsika
dia tonga dia tomany
no eto be mandriaka.




Vao misy manontany
ny fitia 'zay nozaraina
dia sento no mankany
mahamonamonaina.




Vao misy manontany
'rony andro nihafiana
dia mahalasa vinany,
mivoy fangirifiriana.




Vao misy manontany
ny ora nahasambatra
dia ambony ambany
ny tsara hatambatra.




Fredy JAOFERA