You are here: home > Vetso

VAOVAO NY TAONA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



VAOVAO NY TAONA





Vaovao ny taona
ka misaora ny Avo ;
aoka hiraondraona
ny hira raha ravo !




Vaovao ny taona
ka ento ny vavaka
tsy hitondra saona
sy any an-davaka.




Vaovao ny taona
ka mahaiza midera 
mbola tsy hihaona
an'izay mangorera.




Vaovao ny taona
ka mandihiza tokoa,
voatahy, na ahoana,
sy voatobaka soa !




Fredy JAOFERA


Sokajy : Fiderana, Fifaliana

Hevitra mandeha

katrynah (28/12/2019 17:17:07)

Marn zanee vaovao tokoa ny taona de arahabaina sahady tsika rehetra nahatratra anty taona vaovao ty

Hametraka hevitra

Midira aloha