VAZIVAZY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAZIVAZY



Na mamiko aza ianao,
dia tsy tiako velively
ny hivaky tsotra izao
ny tsapa, na dia kely !


Mampisento, na dia mora ;
mampijaly rehefa irery
rehefa be ny mpanakora
toa mitady izay hamery.


Mahamoana, na be vazo
toa misesy mangingina
sy anjakan'itony tazo
nampitombo fanaviana.


ka aleo ho vazivazy
ireo teny mamintsika,
fa mbola tsisy vazy
hitoeran'ireto pika !


ka aleo ho rediredy
'reo nofinofy maro,
fa mila handrebireby
nony hoe mahatsiaro...




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
1404 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 01/10/2009 09:37
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112