VERY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VERYIlay fitiavana very
no iainako sisa anio
ka mangina irery
no tsorina madiodio.
Ilay fiadanana very
no mibahana etoana
ka, indrisy, manery
ny ora mba hikaloana.
Ilay hafaliana very
no mikapoka marina
ka tomefy ny fery
fa tsy resaka itarina.
Ilay fiarahana very
no mandena ny maso
fa tiana sy mahery
saingy azon'ny ankaso.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
