VETSOM-PO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOM-PO




Raha tsy tsapanao ny tsapako samirery,
raha tsy fantatrao 'zao masoko mijery,
aleoko dia misento sy miondrika mangina
fa tsy azoko holazaina, na rako-pifaliana.




Raha tsy iainanao ny iainako ato anaty,
raha tsy tonga tany ny dobo-po tsy maty,
aleoko dia mivavaka no tiako sy arovana
fa izay momba anao, ataoko fahatsiarovana.




Ra'tsy tsinjonao no tsinjoko ho antsika,
raha tsy voavisanao ny kalo soa baliaka,
aleoko dia mandeha sy hikopaka elatra any
fa ny hirako eto izao, ho vetsom-poko ihany.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1641 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 21/08/2005 23:09
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126