VITA NY AMINTSIKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VITA NY AMINTSIKA




Vita ny amintsika,
nitsoaka ilay fitia
toa nentin-driaka
ka mitomania !...



Vita ny amintsika,
avadiko ny voady
fa be nampasiaka
ny lainga nianjady.



Vita ny amintsika,
vonoiko ny tantara
maro nahasariaka
feno fitaka voarara.



Vita ny amintsika,
avelako eo ianao,
toy ny elo mipika
ny misy ka lanjao.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
131 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 23/02/2025 19:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145