You are here: home > Vetso

VITAKO NY NANADINO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






VITAKO NY NANADINO





Vitako ny nanadino
rehefa ela ny ela,
na dia tsy mampino
ny sento tavela.




Vitako ny nanadino
rehefa tsy fidiny,
ny lasa, ampangino,
na misy vidiny.




Vitako ny nanadino
rehefa noterena,
ny ampitso, banjino,
tsy ho tangena.




Vitako ny nanadino
rehefa niainana,
ny safidy, alamino,
tsy hitarainana.





Fredy JAOFERA



Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 12/09/2022
Mpamangy : 170
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

HIRA (2)
NY OLONA HENDRY
MY TEARS
KAHIE
MIFALIA
TAMBATAMBAZANA
VELOMA TSY ZAKA
REHEFA MIALA AMINAO
NY RENY TIA
REHEFA MARINA