VOAFILAFILA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOAFILAFILA Voafilafila
ny fo izay nitia
ka nivaralila
ny feom-ballha.
Voafilafila
ny tokiko ange
ka dia dila
ny ora nandeha.
Voafilafila
ny efa faniriako
ka nibila,
na ireo fifaliako.
Voafilafila
ny tanjoko maro
ka mitanila
ny saina, takaro !
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy