You are here: home > Vetso

VOKATRY NY FANAHY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

VOKATRY NY FANAHY




Vokatry ny fanahy,
Fitaviana
ka aza manahy,
Rahavana !




Vokatry ny fanahy,
Fifaliana
no misy mpitahy
tsy zoviana.




Vokatry ny fanahy,
Fiadanana,
ambarako, lahy,
hihavanana.




Vokatry ny fanahy,
manao soa
raha dia sahisahy
miasa koa.





Fredy JAOFERA


Sokajy : Fifaliana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha