VOVO-PATIN-DRENY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOVO-PATIN-DRENY





Vovo-patin-dreny sisa
no azo avy ao am-pasana
ka sentosento tsy hita isa
no ferin'ny andro lasana.




Vovo-patin-dreny sisa
no voarain'itony tanana
ka toa mampamisavisa
ny nofy tsy niadanana.




Vovo-patin-dreny sisa
no indrisy fahatsiarovana
ka eto ombieny mikorisa
'tony penina torovana.




Vovo-patin-dreny sisa
no jerijerena manoloana ;
ka indro re maharisarisa
no hafahafa sady moana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1215 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113