VOVOKA SISA !... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOVOKA SISA !...





Vovoka sisa
no hitako avy ao,
ry andro sy taona,
fa tsy ny tarehiny
'zay nantenaina
raha toa mikorisa
'zao tanako izao
manoratra foana
sy tsy voafehiny
ny foko nangaina !...



Hay ve efa vaky
'ty hoe vatam-paty
nosakantsakanana
ny hojerijerena
hatramin'izay !...
...Dia tena nahasaky
ka mba soratsoraty
fa tsy hisy fihavanana
mbola azoko ekena
sy te hampiray !



Koa veloma daholo
no mba hafatrafatra
manomboka anio
ry havana ihany
sy tsy hay hadinoina ;
tsy ho bobongolo
fa mainka aza lafatra
no mbola madio
ny fitiavako tany
raha kalokaloina.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo
1398 1
Fans: Mysento
Commentaires
Mysento ( 10/09/2009 11:54)
Hararaotina ny andro azo,hanaovan-tsoa,satry izao rehetra izao,dia hody VOVOKA avokoa.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111