You are here: home > Vetso

ZAVA-NANGALARINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





ZAVA-NANGALARINA





Ny zava-nangalarina
tamin'ireny hafetsena
dia loza hampivarina
any anaty faharesena.




Ny zava-nangalarina
tamin'izay haratsiana
dia hampiova marina
ny anjaram-pitahiana.




Ny zava-nangalarina
tamin'ny famitahana
dia tsy mora itarina,
na misy fivavahana.




Ny zava-nangalarina
tamin'ny fandotoana
dia tsy mba hanarina
fa azom-pahalavoana.




Fredy JAOFERA