'ZAY ANDEVOZIN'NY HARENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'ZAY ANDEVOZIN'NY HARENA





'Zay andevozin'ny harena,
tsy afaka ny ho olo-marina
fa mainka aza ho sorena
rehefa mila ny hamarina.




'Zay andevozin'ny harena
dia olona tia manambany
sy manan-tsaina mivena
toa mahamenatra izany.




'Zay andevozin'ny harena
dia miebo fa be fiadanana
sy miaina ny fitiavan-tena
mbola sarotra ihavanana.




'Zay andevozin'ny harena
dia tsy mitsinjo madinika
fa mampitondra tangena
rehefa eto aho mandinika.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
553 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0203