ZEZIKA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZEZIKAZezika lafatra mba nampiroborobo
ny antsam-pitiavako
iny voninkazo tao anaty lobolobo,
nampitsiky ny tavako.
Zezika tsara mba nahay nampitsiry
ny tena hasambarana
iny kalokalo niverimberina impiry,
tsy fantatra anarana.
Zezika ambony mba nahay nampitombo
ny toky nananana
iny hetaheta ka tsisy kiromborombo
ilay mba fihavanana.
Zezika hatrany mba nahay nampiseho
izay fahombiazana
iny tambitambiny tsy vao anikeheo
raha tambatambazana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
ahy - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana