You are here: home > Vetso

MAHAIZA ALOHA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




MAHAIZA ALOHA





Mahaiza aloha mitia
rehefa mila hotiavina
sao vao mainka hahia
ka zary hahatsiravina.




Mahaiza aloha miaina
rehefa tokana ny tena
fa tsy hita ratsy saina
eny foana vao jerena.




Mahaiza aloha miteny
rehefa hambabo tsara
fa tsy haneso ombieny
vao misy izay ambara.




Mahaiza aloha miova
rehefa te ho sambatra
vao afaka ny handova
toky rehefa atambatra.




Fredy JAOFERA