You are here: home > Vetso

NY RENY VE ? - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NY RENY VE ?





Tsy mba olona mifosa
rehefa ketraka sy osa...Ny reny !


Tsy mba olona manary
rehefa resy sy marary...Ny reny !


Tsy mba olona manozona
na mitia an-terivozona...Ny reny !


Tsy mba olona mandatsa
na tsy tia raha tsisy patsa...Ny reny !


Tsy mba olo-manadala
na hotiavina na hala...Ny reny !


Tsy mba olo-mampahory
rehefa manan-tsorisory...Ny reny !




Fredy JAOFERA