*NOFINOFY* (fy kalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny nofinofy embona sy hanina
Kalokalo rotsitsy
Hatsiarovana ny lasa
Tandindona maha manina
Ny andaniana izato alina
Sarasary ao an_tsaina
Hitondrana ny maraina
Mandinika hatraiza no efa vita?
Mba hanoizana ny sisa
Nefa...Toa lany andro mitanisa
Toa verivery saina
Tsy mba mifidy fotoana
Fa lasa saina foana
Miaina ao an_tsaina
Mamorona hasambarana
Mamorona anarana
Toa mahita olona mihintsy
Miteny irery sy mitsiky
Mora mahita fifaliana
Na @ androm_pahoriana
Toa miavaka @olona
Fa tena mahay mihonona
=>fy kalo (rahelison ravakiniaina domoina)
--------
Rohy:
1168 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fy kalo
Nampiditra : fy kalo
Daty : 22/09/2015 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0274