You are here: home > Vetso

Esy e! ny fiainana e! - FyJL

Azo vakiana?

Sady iainana hono no isainana
Tsy inona fa ity fiainana
Tsy tiako ve sa tiako ihany?
Mbola saro-baliana izany!

Tsy tiako nefa no iarahako
Ny mamela azy aza tsy sahiko
Toa tsy foiko ho havotsitra
Tsy avelako handositra

Nefa halako indray
Mampitondra ahy ny mahamay
Ka ny ra izay mikorina
No tafiditry ny fahoriana

Ka tiako ary ve sa halako?
Fa toa mameno izato valako
Halako no sady mamiko
Fa tsy afaka misaka amiko

Eny, tena tsy azo ialana
Na mahatofoka mazàna
Nefa ianao mba  te-haharitra
Katsaho izay mba mahafinaritra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : FyJL

Nampiditra : FyJL
Daty : 09/06/2004
Mpamangy : 1166
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Ianao fa tsy izy