Ianao fa tsy izy (FyJL)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO FA TSY IZY

Nahoana aho no dia nahiliny
Ka tsy mba nojereny akory?
Ny fijeriny naviliny
Mitondra ho azy sorisory

Nahoana aho no navelany
Tsy ho azy fa napetrany?
Dia nakopany ny elany
Ka tsy ho ahy izay rehetrany

Tsy nahitany hatsarana?
Sa dia leo tsotra izao?
Ny fony dia efa norarana
Ka dia nentiny nandao

Nefa…

Nahoana ianao no tia ahy?
Nibanjina ahy hatrany hatrany
Tsy mba nanana ahiahy,
Na zavatra hafa akoatr’izany

Nitoetra, tsy nandao
Ary tena raiki-po
Sambatra aho misy anao
Ary tretrika tokoa

Hitanao sy tsapanao
Ny fitiavana nananako
Io no nahatonga anao
Nihazona ireto tanako

Azy ho azy ny azy izany
Ka hivalona ho tantara
Aleo izy handeha any
Fa ny antsika atao tsara
--------
Rohy:
3093 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : FyJL
Nampiditra : FyJL
Daty : 22/06/2004 09:10
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144