Fitia lalim-paka! - Fytih
Azo vakiana?
Raha ny ao am-poko ao
No hosoratako anao
Dia tsy ary ho voalazako ao
Ny fitiavako anao!
Maro ireo teny misy
Tsy voalaza 'nefa indrisy
Maro 'reo mahay manisa
Fa ny fitia tsy voatanisa
Tsy asandako harena
Tsy atakalo volamena
Tsy ataoko ankaterena
Satria ny fitia fifanekena
Na dia latsa-paka aza
Ny fitia izay voalaza
Dia tsisy hery, tsisy laza
Raha tsy eo ianao, "Lay Sahaza"!
Sokajy :
Aingam-panahy, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fytih
Nampiditra : intimeDaty : 21/12/2011
Mpamangy : 1779
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Aingam-panahy!Sarobidy