TSY ATAOKO FANTATRAO (ghest1986)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ataoko fantatrao
Izay mety ho tantarako
sy izay rehetra lasako
Fa tsiky foana hatrany,
no asaroko an’ izany,
rehefa iny aho mahatsiaro
ny omaliko nandratra

tsy navelako nihoatra
ity foko efa rotika sy feno tako-pery
ny ketokin’ny jaly navelany omaly
fa nataoko ho ahy irery

miafina aminao izany rehetra izany
Fa ny hany tazanao,
dia ilay tsiky kely, foroniko isan’andro
mba tsy ahitanao taratra,
eny na dia kely akory
izay mety ho fahoriako
Tsy aiko mantsy, tena tsy aiko
ny tsy anafina aminao
ndrao tsikaritrao
Fa... fo efa reraka, matahotra fitia
No sisa mba navelan’ilay nosoloinao
Tsy sahiko kanefa
Ny saiko mahalala
Fa fitako aminao ny tsy hanambara
Aiko ihany koa
F’ ianao fa tsy izy intsony
No afaka anasitrana ilay efa novonony
fantatro avoko izany rehetra izany
Nefa.. .. .. aoka ihany
Aoka ho ahy ny lasako
aoka ho ahy irery.. .. ..


Ghest1986
13/06/09
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
3055 2
Mpakafy: fenosoarv - chiara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ghest1986
Nampiditra : ghest1986
Daty : 18/10/2011 10:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144