"VOAGEJA NY TANÀNA" (Gin Yellow)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Najoro ny fahamarinana dia mody nofoanana

Sao hisakana ny hala-bato isaky ny fifidianana

Natahoran'ny mpitondra dia nasiana ny lalàna

Moa mba misy manaja izany ve ireo mpitondra fanjakana??

Ny ambony tsy lamaody,anjakan'ny fitiavan-tena

Hany ka mangala-danja ireo mpivaron-kena

Dia mbola indreo mirehareha ireo gisalahy mpangala-ketra

Ka tsy mahagaga raha mandrava koa ireo mpangala-drehetra

Nanjary fahazarana lolohavina toa tarazo

Ny mitrosa any ivelany sy mikatramo izay mba azo

Hafaliam-be,vao mahazo fanampiana avy any andafy

Iza kay no handoa ireny,tsy ny zanaka aman-drafy??

Ireo dontodonto ihany no asandratra ho loholona

Ka tsy omena tsiny ny madinika raha mitolona

Ny mpanohitra ny diso no hazaina endrehina tsy...akory

Fa ireo mpandatraka aina zara raha hisy sahy mitory

Fa fitiavan-tena lava no manjaka eto an-tanana

Variana miady seza ireo mpitondra fanjakana

Ka raha alefa etsy sy eroa ny saina dia vaka

Fa toa fangejana no hita manjaka

Gin Yellow

"ETO DAGO"
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
913 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Gin Yellow
Nampiditra : ginyellow8
Daty : 22/09/2015 19:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092