"FO TAKONA ALAHELO" (Gin Yellow)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fo kely iray misento

nodomim-pahoriana

Tomany anaty ventsoventso

nilaozam-boron-tiana

Nekeko hatrany hatrany

nekeko ampitokiana

Hafaliana tsisy hoatr'izany

izao lasa itomaniana

Nantenaiko hiara-paly

nantenaiko hiara-ory

Kanjo lasa nampijaly

sady kosa nampahory

Toa bay no mamonto ao anaty

miambesatra mivory

Mangirifiry tsy tanty

ary tsy ahazoako tory

Toa lasa vaingan'alahelo

ilay tsikitsiky mahazatra

Mangidy mamelovelo

ranomaso hatrany an-tratra

Safosafo tonga rangotra

ka namela ratra

Tsongotsongo lasa tandroka

nandefona 'lay fo mahantra

Orokoroka tonga kaikitra

nandrovitra amam-pery

Fanantenana tsy raikitra

hasambarana very

Nofinofy 'lay safidim-po kinasa

tsy nataoko an-tery

Nandositra dia lasa

mba antsoiko ka miery


Mpanoratra: G-Y (Gin Yellow)

FO TAKONA ALAHELO
--------
Rohy:
4506 1
Mpakafy: ginyellow8
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Gin Yellow
Nampiditra : ginyellow8
Daty : 23/09/2015 12:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136