You are here: home > Vetso

lavitra - hajani

Azo vakiana?

Raha andao anao aho anio,
Dia izao no tsarovy sy mba tadidio,
Ny fitiavako anao lehibe tokoa,
Ny tenako no lavitra, ankaiky anao ny fo.

Ny lavitry ny maso hono, lavitry ny fo,
Tsy marina izany raha ny antsika roa,
Ka an inona hitranga, na inona hidona,
Ny endrikao foana no indro tsaroana.

Mamy tokoa ny eo anilan'ny tiana,
Ny hisaraka aloha tsy mba nofidiana,
Ny fiainana anefa tsy vitan'ny fitiavana,
Any andro iray ho tondraka ny hasoavana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : hajani

Nampiditra : dadatoa
Daty : 05/08/2004
Mpamangy : 1769
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fitiavana
Lavitra
Fitiavana
Avec toi
Seul sans toi
Ecrire
Tu peux...