ANKASOM-PITIA (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nahateny aho,raha nahare ilay feo.
Feo anao nilaza hoe: ny foko efa leo.
Efa leo fitia ,ka aleo hijanona ho pinamana.
Ny foko mbola tia, kanefa nosakanana.
...
Fa dia nahoana loatra, no niova ny fonao.
Ireo zavatra vita, odinao tsy hita tsotra izao.
Sa ve efa lefy, ilay fitiavanao taloha ?
Dia sahinao milaza, raha fitia dia aoka aloha.
...
Tena tia anao aho, saingy indrisy anefa.
Ny foko irery ihany, tsy mba afaka ny hanefa.
Ka marary izato foko,mijohy ny rano maso.
Fa gejain'ilay fitia, ilay fitia be ankaso.
...
Nandrotika ny foko, ilay resan-tsika roa
Ianao milaza tia, saingy efa leo ny fo.
Fa dia nahoana loatra re, no niova tahak'izao
Toa nofy fotsiny, ilay hoe tsy hifandao.
...
Tena tsapako ankehitriny, fa mihena ny fitia
Raha ny faniriako, hotanteraka ho doria.
Saingy faniriako irery, fa tsy mba fanirianao.
Ka tsy misy azo atao, satria efa narianao.
...
Raha ny honamanao, mety ho sarotra amiko.
Satria mamoha indray ny lasa,efa no halamiko.
Manaiky ho namanao aho, fa asina elanelana.
Satria efa halazo, ilay voninkazo vao namelana.
...
--------
Rohy:
1384 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 19/01/2018 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104