You are here: home > Vetso

Efa Lasa - Zöky Eric

Azo vakiana?

mifikitra ato ampo
tsy vohafafa velively
ilay tantaran-tsikaroa
fa miparitaka mihely

miezaka aho manadino
fa voamaika mitombo hery
dia mba jereo sy banjino
fa aza avelanao ho irery

tsy aiko ny hatao
fa tsy afaka ato andoha
ny endrikao tsy mankaleo
ianao ilay sipako taloha

tapitra ny ora
ka nitsiry indray ilay fitia
na dia efa voaopa sy voarora
dia mbola mitady hankafia

nefa mety ho nofy izany
satria ianao efa tsy tia
ka ho nofy  fotsiny ihany
fa tsy ho tanteraka hodoria

Sokajy : Fitiavana, Hambom-po