You are here: home > Vetso

FITIA NOLAVINA - H_Eric

Azo vakiana?

FITIA NOLAVINA
----------------
Ekeko fa mafonja, ilay fitiavanao.
K'anefa miala tsiny,tsy misy azoko hatao.
Na valiana zao dia zao, na avelanao hisaina.
Dia teny iray ihany, no tiko ho lazaina.

Teny tsotra kely, nefa kosa mahatezitra.
Ka mitonia tsara, sao hampirehitra.
Ilay hatezeranao,ka hamparary fo.
Ilako tsiny re! Fa mbola tsy nifoha.

Matory izy, ka aza kotabaina.
Fa raha resaka fitia,mbola tsy tiako ho totontosaina.
Miala tsiny indrindra,fa mbola tsy mifoha.
Ekeko ianao sorena sy mety ho vaki-loha.

Ka miangavy anao ,avelao re azafady.
Raha toa ianao maika, any ankafa mitady.
Mbola tsy haiko ny mitia,ka avelao hitokandrery.
Omeko alalana ianao,any ankafa re mijery.

Veloma ianao,aza malo-kendrika
tsy hitako ny hatao,satria  mbola rendrika.
Mitraka dia mandehana ,mamonjy fodiana.
Fa ny foko tsy ho taitra,na hoviana na hoviana.

#H_Eric
30.10.17
#PAGE_FB: H_Eric

Hametraka hevitra

Midira aloha