HAFA KELY (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mialatsiny re ry tiana
fa nanjary fijaliana
ilay fitiavako manontolo
tena lasa bobongolo

nefa noho ianao ihany
izay nandrora niantsilany
tsy hay mintsy hoe ahoana
fa milaza foanafoana
hoe tery ny fotoana
ka tsy hafaka ihaona

isan'andro lava izao
ianao milaza:"tsy afak'aho"
izaho miteny:"fa nahoana"
ianao milaza fa:"tsy misy ny fotoana"
milaza hoe bedy hatrany
ka miteraka tomany

eny,mety izaho no adala
sy minia tsy te halala
fa ianao efa tsy tia
nefa izaho mbola mankafia
ka nanjary lasa rava
satria fitia lazaina am~bava

tao anatin'ny ora iray
no nahitako solonao
voafafa ny hatr'izay
ka lasa fiainam~baovao

ialako tsiny aminao
fa tsy fidiny amiko ny handao
ilay fitia hafa hafa
ka aleo soiko olon~kafa
dia ilaozako ianao malala
ny ranomasoko tsy tana
fa mirotsaka amin'izao
fotoana hanoratako ho anao
dia veloma ianao ry tiana
dia mahita ny fifaliana
hoy ilay tsy mahalala tsy tina
--------
Rohy:
1156 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 07/09/2016 14:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114