~HERY INONA~ (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vao mikaroka ny saiko
dia ny atidohako no mibaiko
ka mametraka ahiahy
mampisinda ny fanahy

vao misokatra ny vavako
dia miventso ny fitiavako
fitiavako ny soratra
ny faniriko mba ho mpanoratra

ny tanako mandray penina
manoratra izay azoko tenenina
dia ny masoko mijery
ka manome hery

ilay hery avy ao anaty
izay manosika tsy tanty
ka misosa aok'izany
izany no fiainako eto antany

hery tsy hay toinina
hery tsy hay foronina
hery tsy hay kobonina
ka tsy maintsy hotronina

hery hafahafa ny ahy
izay miteraka aingam~panahy

~~ERIC~~
--------
Rohy:
791 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 07/09/2016 12:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785