NENINA (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny naneneko, ireo vitan-tsikaroa,
ireo fihetsika rehetra, izay tsy vokatrin'ny fo.
Ilay namako tsy foiko
Nefa nolotoiko.

Eny nolotoiko,ireo hoavinao rehetra.
Simba noho ireo,filana tsy voafetra.
Eny,latsa-nenina
Indrisy tsy azo hafenina.

Eny,tsy azo hafenina,ireo zava-bita.
Na dia ho takonana,tsy maintsy ho hita.
Eny adalana
tsy afaka sasana.

Tsy afaka sasana, satria nadalo sy niserana.
ka ny hany sisa, dia mandefa ny fitserana.
Eny,efa lasa.
Rava ny kinasa.

Rava ny kinasa, sy ireo hasambarana.
Ireo vinavina maro, indrisy fa hifarana.
Indrisy tsy voakolo.
Rava ny tontolo.

Rava ny tontolo, fa hiatrika ny fiainana.
Hanorin-tonkatrano, ka handefa ny fisainana.
Eny voafehy.
Voafatotra kofehy.

Voafatotra kofehy,noho ireo adalana.
Sy ireo andrakandrana,izay nanosika tsy tana.
Eny, tena diso
Tsy nihevitra ny ampitso.

Tsy mba nandinika, ireozavatra hitranga.
Fa voatosikin'ny nofo,ka indrisy fa nijanga.
Ry namako tsy foiko.
haterao fa hopofoiko.

Haterao fa hopofoiko, izato vokatry ny ditra.
Tsy azo hidifiana ,ny maso sisa no hapitrapitra.
Mahita ireo tanora.
Misosa moramora.

Hofoana avokoa, ireo sangisangy maro.
Sy ireo fifaliana, tamin-tsika vao niaro.
Eny tsy voahisa.
Toa angano sisa.

Angano sisa ,izay angaha no anjara.
Ka aleo hipetraka, hijanona ho tantara.
Eny ny any hafara.
Hoeny ambony alitara.

Eny ambony alitara, no hanohizana ny dia.
Ilay namako indrisy, lasa vadiko hodoria.
Tsy afaka hisaraka.
Tsy maintsy hifanaraka.

Tsy maintsy hifanaraka,sy hifanampy.
Vonona hitady, sy hameno izay tsy ampy.
Eny tsy angano.
Ny hanorin-tonkatrano.

Hiatrika ny fiainana, na ho ratsy na hotsara.
Hibaby ny adalana, hitsinjo ny hafara.
Eny tena fery,
satria voatery.


H_Eric
page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 03/01/2018 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153