You are here: home > Vetso

Ny Fiainana - Zöky Eric

Azo vakiana?

rivotra mitsoka malefaka
hazahoana ilay fahasambarana
mampirisika ahy hipetrapetraka
hanadinoko ilay fahafatesana

ny zanak'olombelona ve ?
dia tsy maintsy handao ny tany
dia tsy maintsy hiova tarehy
ho potika sy horava hatrany

fa dia nahoana lotra re ?
no tsy mba hosainina akory
hoe ny fiainana anie ka mande
sa mbola varina matory

ny vatanao lafatra sy kanto
dia ho rava sy hiova vovoka
kanefa ianao mbola milanto
nefa tsy maintsy ho drodroka

zany ve ny fiaina eto antany ?
sa zany no lalanan'ny zavaboaary
tsy maintsy ho faty no fiafarany
efa matahotra raha oe marary

raha izany no sainina lalina
dia ho kivy tsy misy ho velona
angamba tsy misy ho tafarina
ny fiainan'ny zanak'ololombelona

izany no namporisika ahy
hanoratra ity tononkalo eto
nampitsiry ny aingam-panahy
ka nanoratra sady nisento

mazoto mamaky ianareo
dia raiso ka vakio ampifaliana
kanefa aza atao mankaleo
mitraka dia asio fitsikiana

hoy:  Eric