You are here: home > Vetso

ny Tananako - Zöky Eric

Azo vakiana?

Ny Tanana niaviako
no tany tena tiako
nahatsapako ny mangidy
vato soa sarobidy

ny tanana niaviako
dia tanana fifaliako
satria tao no nanefena
harena sy volamena

ny tananako   fahiny
dia tanana tia vahiny
kanto sady tonga lafatra
hamoronako ankamantatra

aiza ary no toerana tiako ?
any amin'ny tany fiaviko
feno voninkazo maro loko
ka manafaka ny toloko

any ianao ry tanindrazako
fanananao no fananako
hoavy aho hamangy anao
ka hitondra zava-baovao