REDIREDY IHANY - Zöky Eric
Azo vakiana?
Vita ity ny mariazy
Ndeha isika hanal'azy
Hivoaka kely any Paris
Hoentintsika koa Maria.
Isika roa hifandamour
Hisotro jus bonjour
I Maria no haka sary
Tambazantsika voasary.
Asitsika lamozika
hanaovantsika saodemipika
Amin'izay kala Maria
Finaritra ny mankafý
Dia aza hadino ilay farara
Fa izaho hitendry ilay gitara
Dia ho gaga ireo vazaha
Ka hitangorona hizaha
Asiantsika kalokalo
Dia ho variana ny mpandalo
Dia i Maria atao hoe zanaka
Tsy avelantsika raha tsy lanaka.
Dia ampiantsika dona kely
Dia avy eo mikapoka mively
Ilay amponga be anao
Fitondrantsika milalao.
Dia ovana kely ilay fandihy
Mody asiantsika selfy
Alatsatsika ny kilalaka
Maka aina rehefa lanaka.
Rediredy anefa izany
ka ho nofinofy ihany
Fa mody asina fitsikina
Fa ny tokaNtrano fiHafiana.
page fb: H_Eric
Mombamomba
Mpanoratra : Zöky Eric

Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 21/01/2019
Mpamangy : 1019
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NIFOHA INDRAYTSINDROM-PITIA
HAMONO TENA AHO 2
TSY HAY VONOINA
RAHA MBA IZAHO
ZANAKY NY ALINA
SIPA TAMBANIVOLO
RERAKA NY MITIA
ILAY MPANENDAKA
HAMONO TENA AHO