SIPA TAMBANIVOLO 2 - Zöky Eric
Ny sipa tambanivolo
No sipa zatra miafy
Tsara taiza sy voakolo
Tsara bika sy fitafy.
Ny sipa tambanivolo
Sipa mendrika famindra
Kanto ery ny tontolo
Tsara lamina voarindra.
Ny sipa tambanivolo
No sipa zatra mihary
zatra ny mitao-milolo
Rehefa iny manao vary.
kinga mailaka mamboly
Manatsatok'ilay vary
Efa toy ny miala voly
Tsy mba mahare maharary.
Sipa mendrika sy kanto
Tsy manenjika fianjaika
Fa hany fihetsika milanto
Dia milamina tsy maika.
Ny fitafiny hafa kely
Sady mihaja no raitra
Zipo lava no maodely
Dia milamina tsy taitra.
Ny fitiavany aza moa
vola izany tsy miresaka
Fa fitia avy ao ampo
Mpanadala dia ho ketraka.
Raha ny vatany indray
Tsy zarainy fa kajiana
hoan'ny olona iray
izay ho vadiny any aoriana.
Ka tsy aleonao ve ?
Misafidy azy ireo
Fa ny azy ireo ange
Tsy misy hoe hatreo.
Fa mandramaty ilay fitia
Ny filamany ho doria.
page fb: H_Eric
Mombamomba
Mpanoratra : Zöky Eric

Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 10/03/2019
Mpamangy : 1738
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
NIFOHA INDRAYTSINDROM-PITIA
HAMONO TENA AHO 2
TSY HAY VONOINA
RAHA MBA IZAHO
ZANAKY NY ALINA
SIPA TAMBANIVOLO
RERAKA NY MITIA
ILAY MPANENDAKA
HAMONO TENA AHO