You are here: home > Vetso

TIAKO IANAO - Zöky Eric

Azo vakiana?

hafaliana tsy ho  voafetra
zany hafaliako ry malalako
satria ianao  dia    hitoetra
mandrakizay    eto anilako

hafaliana tsy   ho voafetra
zany             hasambaranao
satry ny amiko        rehetra
dia hatosako eo atratranao

hafaliana       mandrakizay
ny miana eto        anilanao
anaovako voady eo @ Ray
fa izaho tsy       hanarinao

ianao     no        zaridainako
ka kolokoloiko sy harovako
tiko     ianao    ry  malalako
zay no voatenin'ny vavako

tiako ianao ry  anjeliko
ianao no  safidim-poko
aminao ny       fifaliako
ka ho foana ny toloko

misaotra anao    ry   malala
fa ianao no nampiova   ahy
angamba efa lasa      adala
soa fa teo ny silam-panahy

tiako ianao ka       hajaiko
tiako ianao ka tsy hariako
tiako ianao ka ho     alaiko
ho ravakiny   tokatranoko



Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

clementyori (04/04/2016 20:17:59)

Mafnartr be le iz,tohiz fa tsr