TOKIM-PITIA - Zöky Eric
Azo vakiana?
RIJA:
manahoana ianao ry Lala
ary avy aiza izato ianao
no maika be toy izao
sa mody tsy te halala
LALA:
azafady re fa tsy hitako akory
fa tsy hoe tsy te halala
fa izaho ve olona adala
sady izaho koa tsy matory
R: zany ve no tena marina
izaho mantsy niahiahy
sao ianao lasandr' i zalahy
ka ho lavo aho ka tsy ho tafarina
L: aza matahotra ianao malala
fa izaho tsy hiova fo
ny fitiavako anao tsy ho lo
fa hitoetra tsy hamanala
R: izaho koa cheriko
manome toky anao
fa ny fitiavako anao tsy ankilabao
fa ianao no tiako ary fifaliako
L: ndeha rahavako mamonjy fodina
fa efa mia alina ny andro
efa nidify ny masoandro
fa ny ahiahinao dia ho zary fitsikiana
R: tena efa naharitra elaela
ndao hifamihina isika roa
ka ho vokatrin'ny fo
hatolory ho ahy ny lela
(muuaah)
Mombamomba
Mpanoratra : Zöky Eric

Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 01/04/2016
Mpamangy : 1783
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NIFOHA INDRAYTSINDROM-PITIA
HAMONO TENA AHO 2
TSY HAY VONOINA
RAHA MBA IZAHO
ZANAKY NY ALINA
SIPA TAMBANIVOLO
RERAKA NY MITIA
ILAY MPANENDAKA
HAMONO TENA AHO