You are here: home > Vetso

Fitia - Zöky Eric

Azo vakiana?

toy ny afo mandoro
satria ny foko torotoro
nohon'ny fitia lasa loatra
ka misofy sy mandroatra

io fitiavana io mantsy
dia maranitra otran'ny antsy
ka manindrona ny fo
raha hatao kitoatoa

fa ny fo rehefa tia
dia faly mankafia
tsy mahita ny hianjerana
sy izay mety ho fiafarana

ka tokony ho hajaina
mba hahasambatra ny aina
ny fitia dia mananjina
ka tokokony ho kajiana


Sokajy : Fitiavana