tsy aiko (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho anao irery ihany
ho anao sesilany
ity foko manontolo
dia hafoiko ho anao daholo

ka mba raiso sy tazomy
fa aza asiana lonilony
fa ny hasambarako rehetra
ao izy no mitoetra

ka raiso dia ampifalio
raiso dia kajio
rah ohatra tsy mety
dia esory vetivety

dia avereno ho ahy
fa mety tsy ianao ilay silampanahy
tsy voatery ho tanteraka
kanefa aza avela horeraka

aleo faranako ny tantara
fa ny teny tiko ambara
dia ny hoe tiko inao
hatramin'izay ka hatramin'izao
--------
Rohy:
1122 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 07/05/2016 04:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164