VARAVARAM-PONY (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voadona ny fony,ka tamy nanantona.
Hiverina hanokatra ilay efa nikatona.
Diso hevitra anefa izy, fa tsy afaka hivoha.
Satria efa voafafako, ireo lasa taloha.

Mifona hono izy,fa nahatsapa diso.
Sady efa niala tamin'ireo risoriso.
Nangataka hiverina mba hotiaviko.
Fa saingy indrisy, tsy maintsy nolaviko.

Nampijaly ahy matsy ireo zava-nomeny
Indrindra ilay fitiavako madio nohoseny
Naratra ny foko, ka velom-pery
ka aleoko mionona ,ho izaho samy irery.

Tiako loatra mantsy izy, fa saingy tsy tsapany.
Tsy ho ahy irery hono,ny bikan'ny vatany
Nangidy izany,fa saingy efa lasa .
Ireo sisany rehetra, efa voasasa.

Diso ve aho raha tsy nandray ny fifonany ?
Nirotsaka ny rano masony, fa mody nosaramany .
Saingy izaho tsy any intsony.
Aleoko mangina fa ny foko, efa tony.
--------
Rohy:
1093 1
Mpakafy: Shcwarzeneric
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 15/03/2017 13:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014