Mianatra mitia (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy resaky ny fo, na vitan'ny hoe babo;
Tsy 'zany fotsiny ihany ny resaka fitia
Fa toy ny Kapiteny miondrana eny an-tsambo
'Zay miatrika ny anio dia mitsinjo koa ny dia

Taitra ianao androany, sinariky ny masony;
Babon'ny fibikany, niaritra ny andrasony...
Toa midika izany fa tena tia ianao,
Kanefa hatrany hatrany dia mila mihavao.

Izao no azo atao raha te hahita fy:
Mahay mifehy ny fo dia mianatra mitia...
Angamba hoy ianao hoe "mandeha ho azy izany!"

Nateraka isika , zaza vao lehibe
Izany tsy midika fa tonga dia mandeha
Fianarana ny fiainana, tsinjovy ny hiafarany...

Harylovah 110611
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1668 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 28/10/2011 10:51)
Mety ho tonga ho azy angamba ny fitiavana fa mba mila ianarana kosa ny fiainana azy...
primorh ( 12/11/2011 16:53)
Ny ratsy ihany no tsy mila atao, ary tsy mila ianarana (tsy azo ianarana)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 28/10/2011 10:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143