MISY...NEFA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy felan-tsiky
miloko tambitamby
miangavy mba ho tiana
fa tojo maso mena
miavona fijery
mangarika famindra...

Misy teny mamy
nateraky ny fo
nomena an-kafaliana
fa trerona masiaka
no valin'ako reny
ka nampitebiteby...

Misy hirahira
vetson'ny fanahy
migadona firima
fa singany irery
an-tany karakaina
tsy misy mpanakora...

Misy nofinofy
nirina mba hanjary
tsy nampahita tory
fa tonga ny maraina
dia tapitra hatreo
ny doboky ny fony...

Harylovah[190412]
--------
Rohy:
1308 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 27/06/2012 11:28)
Indraindray @ fotoana heverina fa mety ny atao dia mifanohitra amin'izany ny zava-misy. Mahagaga! Mazotoa e!
TENIMAMIKO ( 27/06/2012 15:31)
Hainao mihitsy ny milaza ny "misy", hany ka azo an-tsaina ny fisiany. Misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 27/06/2012 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103