Mitoera ho madio (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa misy loharano izay tsy azonao dikaina
Fa azy irery ihany
Arovany ho madio, fa antoky ny aina
Sy tokana aman-tany.
Miandry ilay fotoana izay hoe hifanekeny
Hanaovana voady,
Eo no hisantarany ilay zotra nokendreny:
Ny fiainan'ny Mpivady...

Ho anao ry tovolahy, ry Tovovavy koa:
Mitoera ho madio...
Aza mieritreritra fa tsy mba nahavoa,
Ny ratsy no fadio.
Ao ilay fotoana, ho avy antenaina
Hanaraka malala
Ho tena ho afa-po, ho miramiran-tsaina,
Fitiavana tsy miala...

'Zay tsiro iray minitra mandalo ihany ve
Dia hanimbana tena!?
Tsarovy fa ny miandry mivaly rehareha,
Manjary volamena...
Tsy manambany akory ireo sendra mba nania
Fa mafy ny filàna
Fa raha madio ianao no mizara ilay Fitia
Ho tsara fiafarana...


Harylovah [ Aogositra 2011)
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
2374 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 12/01/2012 11:15)
Anisan'ny fanomezana sarobidy azo omena ny olon-tiana ny Fahadiovana .Raha anananao izany dia tehirizo ho azy dia ho sambatra ianareo...
hasiniony ( 17/01/2012 15:15)
Dradrao fa ao aminao ilay fahaizana mandrafitra ireo talenta ho kanto...! Mankasitraka
gemaS ( 23/02/2012 08:23)
zan ka tena tononkalo!!!misaotra anao zay namorona fa tena tsara be sady mifono hafatra ho an'ny tanora ankehitriny izay tena tsy manaja intsony an'izany fahadiovana izany!!misaotra tompoko!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 12/01/2012 11:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141